airtel

Actualités

03-avril-2023

Actualités

Toetr’andro miovaova be Mitombo ireo tsy salama, ilaina ny sakafo be otrik’aina

Sample post image

Nitombo hatrany amin’ny 20% ireo olona marary tonga manatona mpitsabo tato anatin’ny iray volana teo ho eo izao,

03-avril-2023

raha araka ny fanadihadiana natao tamina ivon-toeram-pitsaboana iray. Ankoatra ireo voan’ny sery sy ny gripa mahery izay lasa mivadika ho tazo mihitsy dia tsy vitsy ireo mikohoka sy marary kibo. Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija dia vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro no antony mahatonga izany. Mangatsiaka ny maraina, mafanabe amin’ny atoandro ary manorana raha vantany vao hariva ny andro. Betsaka ireo vatan’olombelona tsy mahazaka izany raha araka ny fanazavany hatrany ka ilana tohana avy amin’ny alalan’ireo karazan-tsakafo be otrik’aina. Tokony ho hita ao anatin’izany ireo sakafo ahitana ny sokajy telo dia ny proteina ahitana ny hena sy ny trondro, ny gliosida toy ny vary sy ny katsaka ary ny lipida. Tafiditra ao anatin’ireo ny fihinanana legioma sy voankazo isan’andrp miampy ny torimaso ampy tsara izay tokony ho adin’ny 8 isan’andro, ary ny fisotroana rano. Fa ankoatra izay dia mampahatsiahy ny rehetra ihany koa ity mpitsabo ity fa efa madiva hiakatra izao ny vary ka tokony samy hitandrina ireo olona manana aretina sempotsempotra toy ny asma. Tena mampihetsika io karazan’aretina io mantsy ilay fofom-bary miakatra iny ka ilana fitandremana be.
Pati
Legende : Tokony hohanina betsaka ny voankazo sy ny legioma
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap