dia naneho indray ny faharefoan’ny faritra maro eto Madagasikara manoloana ny loza voajanahary sy ny fiovan’ny toetr’andro. Nanomboka ny novambra 2025 ka hatramin’ny janoary 2026 dia nifanesy ny zava-nitranga: orambe naharitra, tafiotra tany Anjozorobe, fandalovan’ny ZCIT tany Menabe, ranotrambo tany Betioky Atsimo, tafiotra tropikaly EWETSE tany Atsimo Andrefana, tranga maro vokatry ny tselatra, ary hatramin’ny horohoron-tany tamin’ny 23 janoary. Raha ny tatitra farany voaangona tamin’ny 27 janoary 2026 dia faritra 10 no voakasika, ahitana distrika 16 sy kaominina 21. Tafakatra 19 ny olona namoy ny ainy, 20 naratra, ary tsy nisy voamarina ho nanjavona. Antony lehibe indrindra nahafatesana olona ny faharavan-trano sy ny fihotsahan-tany (11), ny varatra (7), ary ny ranotrambo (1). Ny tranga mampalahelo indrindra dia tany Soavina, Anjozorobe, Antananarivo Renivohitra, Ihosy, Morondava ary Betioky Atsimo. Raha ny lafiny sosialy kosa, olona 6 385 no voakasika mivantana (1 653 tokantrano), ary 3 145 no voatery nandao ny fonenany, anisan’izany ny 55 vokatry ny horohoron-tany. Amin’izao fotoana izao dia mbola misy olona 203 (tokantrano 42) tsy tafaverina amin’ny toerany, ka ny sasany mbola ao amin’ny toerana fandraisana vonjimaika toy ny EPP Ampangabe sy ny Bureau Fokontany Andohatapenaka, ary ny hafa kosa miankina amin’ny fianakaviana sy ny mpifanolo-bodirindrina. Trano 1 319 no dibo-drano, 37 simba, ary 153 rava tanteraka. Efitrano fianarana 2 no rava tafo tanteraka noho ny tafiotra tany Anjozorobe, ary 4 no potika tanteraka noho ny orambe. Ny sehatra fambolena dia voa mafy ihany koa, indrindra ny tanimbary 70 hektara tany Alaotra Mangoro izay dobo,… Mbola misy ny mandindona satria ùiha-manakaiky an’i Madagasikara ilay andro ratsy izay miforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika izay vinavinaina hihamafy ka mety ho lasa rivodoza rahampitso zoma 30 janoary ho avy izao. Tany amin’ny 306 km andrefana somary avaratra andrefan’i Besalampy no nisy ny foibeny omaly tamin’ny 03 ora tolakandro, ary mbola malefaka ny heriny amin’izao fotoana izao.
Toky R