airtel

Actualités

05-juil-2023

Actualités

Tohin’ny raharaha tany Mahajanga Mikaton ny biraon’ireo vadintany anio

Sample post image

Manoloana ny tranga nahazo ny vaditany sy mpanao lavanty, Maitre Kanto Rakotonatoandro, tany Mahajanga,

05-juil-2023

dia nampahafantatra ireo vadintany sy mpanao lavanty omaly fa noho ny fanagadrana ny naman’izy ireo dia mikatona ny birao fiasan’ny vaditany rehetra manerana an’i Madagasikara amin’ity anio 5 jolay 2023 ity. Tsy miasa, hoy ny fanazavana, noho izany, ny vadintany na CLERCS. Raha tsiahivina fohy dia raharaha tsy fandoavana raim-pianakaviana iray solon-tsakafon-jaza na «pension alimentaire» moa no nanadobohana ilay vadintany rehefa nitaky izany, hoy ny fanazavana voaray. Nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ity vaditany miasa ao Mahajanga ity. Tsy noraisina ny andininy faha 30. Tsy noraharahiana ny andininy faha 617 CPC milaza fa azo atao ny fanatanterahana didy na «saisie exécution» fa tsy mila hitsivolana izany ary andinin-dalàna hafa maro, hoy hatrany ireo naman’ity vadintany ity. Mampametra-panontaniana etsy ankilany hoe tena ilay fitakiana sakafon-jaza tokoa ve no anton’ilay fampidobohana am-ponja sa fandikana lalàna hafa? Andrasana hatrany ny tohin’ity raharaha ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap