airtel

Actualités

16-janv-2024

TOLIARA II

Olona miisa 5 tratra nisera sokatra 38 isa

Sample post image

Olona miisa 5 no indray saron’ny Tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena

16-janv-2024

ao Beheloka naka sy nivarotra sokatra, miisa 38 tao Soalala, Distrikan'i Toliara II, afak’omaly 14 janoary . Tao anaty gony no nahasaronana ireo sokatra ireo, raha araka ny vaovao ka nisy ireo efa nalemin’ny hafanana sy ny havizanana noho ny fotoana maharitra loatra nitazonana azy. Naterina avy hatrany any amin’ny "Madagascar National Parc" any an-toerana moa ireo sokatra tratra ireo raha hiakatra fampanoavana anio Talata 16 Janoary kosa izy 5 mianadahy. Tsiahivina moa fa fa voararan’ny lalana ny misera biby arovana ahiana ho lany tamingana toy ny sokatra tahaka izao. Toraka izany koa ny gidro. Mampigadra an-taonany ny fahatrarana olona iray manao izany miankina amin’ny habetsak’ireo sokatra na gidro nangalariny sy ny fomba nanaovany azy.
Pati
Legende : Ireto ireo andian’olona nisera sokatra tratra tany Besalampy !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap