airtel

Actualités

06-mars-2026

Tolo-dalàna mikasika ny OMDA

«Miverina amin’ny laoniny ny tolona»

Sample post image

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

06-mars-2026

hoy i Paulbert Rahasimanana na Rossy, manoloana ny fanoloran’ireo mpanakanto ny tolo-dalàna mikasika ny OMDA na ny ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona teny amin’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina androany (TTF:omaly). Nisy ireo andinin-dalàna notakian’ireo mpanakanto ny hanitsiana azy mba ahafahan’ny OMDA manana fahaleovantena tanteraka fa tsy miankina amin’ny minisitera, hoy izy. Isany nitondràna fanintsiana ihany koa ny fanondrotana ny vola horaisin'ny mpanakanto amin'ny alalan'ny OMDA. Mbola ilay lalàna 94-036 natao ny 18 septambra 1995 momba ny fizaka-manana ny sanganasan'ny mpanakanto no nisy hatramin'izay ka nampiharina. Nanamafy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa, fa ho ezahina hatolotra eny amin’ny Antenimierampirenena amin’ny fivoriana amin’ny volana may hoavy izao ity tolo-dalàna ity rehefa avy hampandalovina ireo antanan-tohatra rehetra. Raha tsiahivina dia nisy ny tolo-dalàna mikasika ny OMDA nandalo teo anivon’ny Antenimieram-pirenena avy amin’i Rossy fony izy mbola solombavambahoaka saingy nosakanan’ny minisitra tamin’izany fotoana ka tsy tonga hatramin’ny farany . Isany nampidaraboka an-dRajoelina ny fivadihany tamin’ny olona nahazoany toerana fara-tampony, hoy hatrany i Rossy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-août-2026

Tena handroso raha mifankatia sy

Card image cap
12-août-2026

hazo ala 149, saribao 134 gony,...

Card image cap
11-août-2026

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

Card image cap
11-août-2026

Marc Dillard, diplaomaty efa za-draharaha

Card image cap
11-août-2026

maty nianjeran'ny tamboho

Card image cap