airtel

Actualités

08-août-2023

Actualités

Tompon’andraikitra ambony efa nesorina Maro no mbola minono ny volabem-panjakana

Sample post image

Vola be amina miliara no lany amin'ireo mpiasam-panjakana nitazona andraikitra ambony Tahaka ny Minisitra, Tale jeneraly, Sekretera jeneraly, Tale,...

08-août-2023

ka nesorina kanefa tsy miverina amin’ny asany taloha fa mitsingevaheva noho antony tsy mazava. Misy anefa no mbola manao tsindry, mibaiko, mandrahona, manao herisetra amin'ireo izay mety mahalala tsiambaratelo mihitsy aza... ary tsy vitsy no efa lasibatra tamin'izany eo amin’ny asam-panjakana eto amintsika. Hena-maso sa tahotra avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana niasany no mahatonga azy ireny toa mbola mitsabaka malalaka amin’ny efa tsy andraikiny intsony? Tsy mazava ve ny lalàna mifehy an’ireo olona avy notendrena amin’ny toerana ambony? Inona no fepetra raha avy tao amin’ilay sampan-draharaham-panjakana nisy azy no voatendry amin’ny toerana ambony misy azy ao? Miverina amin’ny asany taloha sa ahoana? Manao ahoana kosa raha avy any ivelany mihitsy, moa tsy tokony hiala dia miverina amin’ny toerany teo aloha raha mpiasam-panjakana, ary misintaka lavitra raha olon-tsotra aorian’ny mety ho fisitrahany ny zony telo volana aoriana? Lasa vesatra goavana ho an’ny Fanjakana ary mety ho mampitombo isa ireo mpiasam-panjakana matoatoa ihany ny fisian’ireny olona avy tamin’ny toerana ambony toa mbola minono ao amin’ny sampan-draharaham-panjakana nitazonany toerana ambony teo aloha tahaka izany. Manomboka maro ny fitarainana eo anatrehan’ireny olona ambony teo aloha izay mitsingevaheva sy tsy mitana andraikitra intsony, kanefa mbola minono sy misitraka ny volabem-panjakana ihany. Efa nisy ny fanadiovana nataon’ny Fanjakana mikasika ireo mpiasam-panjakana matoatoa, saingy mila hamafisina satria endrika fambotriana firenena.
Toky R

Ahiana ho mifandraika amin’ireo mpanao fakan-keriny ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Mpitandro filaminana manodidina an’I Foulpointe manodidina ny 100 no efa nahetsika manao ny fanarahan-dia amin’izao fotoana izao. Efa navotsotr’ireo olon-dratsy kosa ireo olona 6 natao takalon’aina. V
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap