Vokatry ny firotsahan’ilay ranon’orana voalohany teto an-drenivohitra iny no nahatonga izany izay nomarihin’ny Ben’ny Randriantsoa Jimmy fa tsy tokony hisy olana mihitsy. Tapitra nanorenan’ireo olona sasany trano kisoa sy trano fivoahana mantsy ny lalan-drano tao anatin’io Fokontany io antony niteraka ilay tondra-drano. Tsy nandry andro tsy nandry alina araka izany ny kaominina nitady vahaolana mifandraika amin’izany toy ny fisokirana ireo tatatra tsentsina… Tsy hijanona hatreo ny hetsika raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity hatrany. Mety hisy mihitsy mantsy ny fidinana ifotony hataon’ny kaominina handrava ireo trano kisoa sy trano fivoahana manentsika ireo tatatra eny amin’iny faritra iny ato ho ato. Nomarihin’ity Ben’ny tanana ity moa fa saika lasibatr’ity tondra-drano ity avokoa ireo Fokontany amin’ny faritra manamorona an’ny By pass ka anisan’ireny ny Fokontany Ankadindratombo, Est Mahazoarivo, Ankazobe, Mandikanamana,…. Pati
Legende : Tototry ny rano tahaka izao hatrany ireo faritra iva ety amin’ny By pass rehefa fotoam-pahavaratra !
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.