airtel

Actualités

15-févr-2024

Tonga eto Antananarivo ny biby hafahafa

Kisoa 6 indray maty teny Ambohimanarina

Sample post image

Tonga eto Antananarivo ny trangana biby hafahafa mihinana biby fiompy.

15-févr-2024

Kisoa miisa 6 no lasibatra teny Ambatolampy Ambohimanarina ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia 14 febroary 2024. Kisoa 6 no indray maty, iray ihany sisa no velona, fa nohaniny avokoa ireo tao am-bala, izay tena laniny ny ampahan’ireo kisoa toy ny tapany aoriana, ny tongony,… Raha hiverenana, tao Brickaville no nahenoana ny fisian’ity tranga ity nanomboka tany amin’ny volana oktobra 2022. Somary nangingina, saingy niverina indray ny desambra 2023 sy ny volana janoary 2024 teo, ka nahatratra 40 ireo omby efa lasibatra tao anatin’ny herintaona teo, ka am-polony mahery ny tao anatin’ity taona ity. Nisy ny petra-kevitra nentin’ireo manam-pahaizana momba ny fitsaboana biby, fa ireo alika romotra no mihinana ny biby fiompy ka nirosoana ny famonoana alika faobe. Nolazaina mantsy fa noho ny famefena ny toeram-pamonoana omby tao Brickaville, dia lasa tsy mahita hohanina ireo alika. Mbola nisy indray anefa ny tranga ny faran’ny janoary teo, ka zanak’omby tokony ho 13 volana no nohanin’ny biby, ka nofony manodidina ny 55kg no laniny, izay toa midika fa mety somary lehibe ilay biby. Nisy aza ny nilaza fa boribory ny lohany sady misy somotra, miloko "marron" izay voalaza fa biby tsy fahita any an-toerana. Fotoana fohy taorian'izay dia nitsoaka ilay biby. Tsy nijanona tany Brickaville, fa nisy biby tsy fantatra mihinana biby fiompy toy ny osy sy ondry ary omby ao Betioky Atsimo, hoy ny tatitra vao herinandro eo izao. Voalazan'ny mponina any an-toerana fa efa nanaikitra olona ihany koa io biby io tao amin'ny Commue Ambatry. Mbola nisy tranga ihany koa tany Soatanimbary ao anatin’ny Kaominina Manambina ao anatin’ny Distrikan’i Miandrivazo. Ondry miisa 11 no tratran'ilay biby tsy fantatra anarana sady ahitana kaikitra avokoa. Ny 3 tamin'ireo no maty fa ny ambiny maratra avokoa.Raha ny fantatra, efa nahitana tranga toy izao tany amin'ny fokontany hafa saingy vitsivitsy ireo biby fiompy namoy ny ainy ka tsy nahataitra ny mponina. Hatramin’izao, mbola manjavozavo tanteraka ity resaka biby ity, izay hitondrana fanairana satria tena lasibatra ny fiharian’ny olona.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap