Fitsarana Tampony na PGCS (Procureur Général de la Cour Suprême) Atoa Rakotomandimby Benjamin, ary ihany koa fandraisana azy ho mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice). Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Filoham-pirenena sy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana sy ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila. Nandritra izany no nilazan’ity Tonia mpampanoa lalàna ambony ity mahitsy fa tsy tokony hialokaloka ao anatin’ny baiko midina ny mpitsara. “Ny Filohan’ny Repoblika tsy mpitsara fa Filohan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara izy, fa isika no mpitsara. Manome baiko ianao, na izaho aza manome baiko amin’ny maha Lehiben’ny fampanoavana ahy ary fantatr’Atoa Minisitra tsara izany, fa misy fotoana aho miady hevitra hoe: Atoa Minisitra, izao no baikonao fa izao no hevitro. Raha miteny Atoa Minisitra hoe: tanteraho ny baiko, dia manazava aho, ary manatanteraka aho”, hoy izy. Adidinao, hoy ity Oloben’ny fitsarana ity, ny manazava amin’ny lehibenao, ka tsy hialokaloka hoe: baikon’ny lehibe ka tsy maintsy tanterahina.
NIANTSO NY FILOHA HITENY NY OLONY
Niantso ny Filoham-pirenena hiteny ny minisitra na ireo mpitondra Fanjakana ambony tsy hanao tsindry sy hanao fihetsika hafahafa eo anatrehan’ny mety ho tsy fahafaham-po amin’ny didy avoakan’ny Filankevi-panjakana ihany koa ity Tonia mpampanoa lalàna ambony ity. “Fifanolanana amin’ny Fanjakana no ato amin’ity fitsarana ity, tsy miady aman’olona ny filankevi-panjakana fa taratasy fanapahana no entina. Miangavy tsy hisy minisitra hivindavinda be, tsy hisy lehiben’ny sampan-draharaha ho tezitra be, ary misy aza dia miteny mihitsy hoe: izahay tsy hanatanteraka raha mbola izahay no eto”, hoy izy. Nahitsy ny tenany nilaza tamin’ny Filoha fa ny sofiny no nandre izany, ka nilazany mahitsy hoe: “tany tan-dalàna isika, raha tsy azoazonareo ny didy avoakan’ny filankevi-panjakana mbola misy ny zavatra be dia be azo atao: revision e! opposition e!”. Izy moa no lehiben’ny mpampanoa lalàna rehetra eto Madagasikara, ka nanomezany toromarika, fa ny fandaminam-pitsarana dia ny Lehiben’ny fampanoavana isan-tokony ihany no afaka manao fanambarana mikasika ny asan’ny fitsarana, ka niangaviany ny mpitsara mba tsy hanao “commentaire” ny asam-pitsarana, raha tsy mahazo alalana avy amin’ny Lehibe.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa