Anosy mantsy ny fivoriamben’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara). Ny ambangovangom-baovao azo avy ao anatiny no nahafantarana fa fotoana hanapahan'ny mpitsara hevitra ny amin’ izay tokony hatao tamin'ny dingana fangatahana tamin'ny Fanjakana momba ny fanatsarana ny Fitsarana sy ny asan'ny mpitsara io fivoriana io. Ho mafimafy io ny Fivoriamben’ny mpitsara io, ary manerana an'i Madagasikara mihitsy ny fandraisana anjara, raha ny fanamarihana azo. Voaresaka matetika moa ny tontolon’ny fitsarana tato ho ato eo anatrehan’ny trangam-piarahamonina samihafa, ny fitsaram-bahoaka, ny ahiahy amin’ny endriny maro,… Tontolo manahirana ny Fitsarana fa dia ezahana araka izay vita no manatsara azy, hoy ny loharanom-baovao. Isan’ny tena nampitaraina sy nampimenomenona azy ireo matetika ihany koa ny tsindry bokotra samihafa ataon’ny manam-pahefana sy ny mpitondra Fanjakana sasany. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka famindrana toerana raha vao mba mijoro amin’ny fahamarinana tsy manaiky tsindry sy fidirana an-tsehatra na “intervention” ataon’ny olona ambony any anaty Fanjakana. Resahina hatrany ny fahaleovantenan’ny fitsarana, saingy misy ny te hanao izany ho teny an-tendromolotra fotsiny, fa tiany holalaovina sy hampiasaina amin’ny tombotsoa amin’ny endriny samihafa, toy ny ara-politika, ara-toekarena,… Miharihary indraindray ny tsy fisian’ny fisaraham-pahefana mazava intsony kanefa tokony hiavaka tsara ny hoe: fahefana mpitsara, fahefana mpanao lalàna, fahefana mpanatanteraka,… Andrasana moa izay mety ho akon’ny Fivoriamben’ny mpitsara rahampitso, fa raha ny loharanom-baovao, dia mety ho henjakenjana ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo manoloana ny zava-misy sy miseho ankehitriny. Samy miandry izay mety ho akony sy ny andinindininy amin’izay hambaran’ny SMM aorian’ny Fivoriambe izay hataony rahampitso io.
(Sary Tahiry)
Toky R
Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,
Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,
Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,
Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément
Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy
Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.