airtel

Actualités

03-mai-2023

Actualités

TOP RADIO feno 6 taona Hitohy ny ezaka amin’ny fanabeazana sy fampandrosoana

Sample post image

Hivoatra hatrany ny onjam-peo TOP RADIO Malagasy 100% raisina eo amin’ny maridrefy FM 102.8 mandritra ny taona rehetra ho avy mbola hifampizarany ny mamy amin’ny mpihaino. Anisan’ny mbola hotohizana mandritra izany

03-mai-2023

ny fanomezana ny malagasy 100% ho an’ny mpihaino na amin’ny hira alefa izany na amin’ny fandaharana hatolotra. Fiaraha-miasa maro be moa no tontosa hatrizay nisian’ny Top Radio izay, ary azo lazaina ho tena mivelatra izy ankehitriny satria efa tafiditra ho isan’ireo haino aman-jery 10 voalohany eto an-drenivohitra. Mbola maheno azy ihany koa ny eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ny « station fm » sy ny « web radio ».
FAMPANDROSOANA SY FANABEAZANA
Ao anatin’ny fifehezana ny nomerika rahateo isika amin’izao fotona izao, ka heverina fa efa miroso amin’ny « web télé » ihany koa ny Top Radio ho amin’ny enin-taona manaraka. Ny fiovan’ny onjam-peo endrika moa no nanokafana ny enin-taona manaraka nanomboka omaly talata 02 mey. Hitohy hatrany koa ny ezaka fampandrosoana sy fampivoarana, ary ny fanabeazana sy fampahafantarana. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny fahasahiana hiteny ho an’i Gasikara hampahafantarana ny mpihaino ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena. Ho taom-pandresena ity taona ity, io moa loha-hevitra nentin’ny TOP RADIO nanamarihana ny faha-6 taonany omaly, hevitra vaovao hikambanan’ny amin’ny vondron’orinasa miaraka aminy.
NIFANOTRONA
Nanomboka tamin’ny 7 ora sy 15 minitra maraina moa omaly no efa raikitra ny fanentanana maro samihafa teo anivon’ny onjampeo ka nifandimby teo ny mpanentana fandaharana, mpanao gazety, teknisiana sy ny vahiny tonga .teo ihany koa ireo mpanakanto maro be nanolotra ny kanto sy ny meva.Nifandimbiasana ny sehatra, onjam-peo tsy mialon-jafy rahateo ny TOP RADIO, zavatra izay nomarihin’ny mpihaino maro be niditra tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina hoe : « misaotra anareo nanome anay sehatra nahafahana nilaza ny hevitra an-kalalahana ..ary maniry ny hitohizan’izany hatrany ». Fanabeazana, fampianarana, fampahafantarana. Ireo no foto-kevitra ijoroan’ny TOP RADIO, ifanotronany sy iarahany miasa amin’ny mpiara-miombon’antokoa sy ny mpihaino ary ny sampandraharaham-panjakana izay tandrify ny tokony hataony io. Tsy misy firenena mandroso izany kanefa bado ny maro an’isa amin’ny vahoaka ao aminy, koa miezaka mitondra ny anjara birikiny ny TOP RADIO.Ho mariky ny fivoarana moa dia nanova ny endrim-pamantarana azy nanomboka omaly 2 mey 2023 ny onjam-peo.
Pati
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap