airtel

Actualités

16-janv-2023

Actualités

Toriteny teny amin’ny Coliseum Tsy nahafaly ny olom-panjakana sasany

Sample post image

Sambany ary tsy mbola fahita hatramin'izay ny fijoroan'ny olom-panjakana nilaza nivantana fa tohina tamin'ny torotenin'ny Mpitandrina,

16-janv-2023

raha tsy omaly teny amin'ny fanompoham-pivavahana notarihin'ny Fiangonana FJKM teny amin'ny Coliseum Antsonjombe. Tsy nisy fanononana anarana fa hafatra mahitsy sy tsy misorona eo anatrehan’ny zava-misy sy mitranga eto amin’ny firenena. Misy anefa ny mety ho mahatsiaro ho voatsindrona manokana tamin’ny toriteny, izay lojika satria ny toriteny tsy misorona, tsy natao hanarontsaronana ny mety ho zava-dratsy sy zava-doza manjo na mety mbola hanjo ny ondrin’Andriamanitra izay tsy iza fa ny vahoaka. Manana adidy sy andraikitra amin’ny vahoaka sy ny firenena ihany koa ny Fiangonana, manana ny heviny sy ny fijeriny, mandroso tolo-tsaina sy vahaolana ho an’ny firenena. Sokajiana ho isan’ny arofanina sy mpamerin-doha eo anatrehan’ny mety ho tsy fihetezan-javatra. Mitory ny fahamarinana sy ny fibebahana. Natao mba hanomezana haim-panahy sy hahatonga ny olona hibebaka eo anatrehan’ny fandikàna ny didin’Andrimanitra. Ny olona tsirairay na iza na iza, mety efa voatsindrona tamin’ny toriteny ary mety hiteny anakam-po hoe: “tena izaho” mihitsy izany! Raha manana ny marina sy efa miaina ao anatin’ny fahamarinana avokoa ny olon-drehetra tsy misy ilàna an’izany intsony fa matoa toriana dia misy zavatra tokony hohatsaraina ao. Rehefa ny toriteny no tsy mahatonga anao hibebaka dia tsy toriteny izany. “Izay rehetra nanindrona ahy tao dia andinihako tsara ny tenako. Raha nitory lainga sy fampanantenana pokaty ny mpitoriteny dia azo raisina ihany, saingy ny fiangonana dia natao mihitsy hijoro sy ho sahy hilaza ny tsy mety, hitory ny fahamarinana, hanome tolo-tsaina ny entina sy ny mpitondra, hoy ny fanehoan-kevitra.

Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap