airtel

Actualités

16-mars-2021

Actualités

Tovo Rakotojohary « Mila sahanina miaraka ny valanaretina sy fampandrosoana”

Sample post image

Amin’ny maha taonan’ny asa ny taona 2021 dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny asa no hanatanterahana ny fampandrosoana eto Tanjombato,

16-mars-2021

 

 

 

 hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Tovo Rakotojohary. Na eo aza ny fihanak’ity valanaretina ity dia mila sahanina miaraka ny zava-misy, hoy izy. Eo koa ny tsy fandriampahalemana fa tsy hoe mandry ny tany vao hanao fampandrosoana isika. Mila jerena amin’ny alalan’ny fanaovana foto-drafitrasa ho an’ny tombotsoan’ny rehetra ny vahoaka. Nametraka toeram-pidiovana na “lavoir” izahay. Teo koa ny famelomana araka ny tokony ho izy ireo toeram-pivoahana sy fidiovana iombonana na WC sy “douche publique” tsy nandeha teo aloha. Tsy voatery manao fotodrafitrasa vaovao fa manamboatra ny efa nisy teo aloha dia mijery ifotony ny zavatra tena mampikaikaika ny olona. Eo ny fanamboarana ny lalana sy ny fandiovana ireo tatatra, ohatra. Eo koa ny famporisihina ny mponina hiditra anatin’ny fihariana ara-dalana na “secteur formel”, ho an’ireo izay mbola tsy anatin’izany moa izany, ahafahan’ny kaominina manana maridrefy eo amin’ny toekaren’ny kaominina mba hiditra amin’ny ara-dalàna izany. Isan’ny fijerena mivantana ny vahoaka natao ny fitazomana ny vidin-drano ho 30 ariary amin’ireo paompin-drano miisa 31, izay marihina fa tantanan’ny kaominina mivantana, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap