airtel

Actualités

07-févr-2024

TOVOVAVY NAMONO TENA

Tara fodiana dia nodarohan’ny zokiny

Sample post image

Tovovavy iray 20 taona monja no maty nanaton-tena tamin'ny tady tato an-tranony

07-févr-2024

tao Tsararano ambany secteur A, distrikan’i Mahajanga I omaly Talata 06 febroary maraina. Raha araka ny fantatra dia izy sy ny reniny no miara-mipetraka. Mpiasan’ny kaominina ilay Reniny ary miala marainabe amin'ny 4 ora sy sasany isan’andro na amin’ny 05 ora maraina mandeha miasa, hoy ny vaovao. Raha vantany vao lasa anefa ilay Reniny dia namono tena Itompokovvay. Raha ny fitantaran'ny zokiny vavy dia nobedesin'ny zokiny iray mpifanila efitrano aminy Itompokovavy. Tara fodiana mantsy izy afak’omaly Alatsinainy alina. Tonga tamin'ny fikasihan-tanana azy mihintsy izany toy ny felaka sy ny fikapohana ny lamosiny hoy hatrany ny vaovao ka ahiana ho izay ny antony namonoan’Itompokovavy tena. Tohana avokoa ny fianakaviana sy ireo iraitampo aminy manoloana izany. Efa feno taona mantsy Itompokovavy amin’izy ireo ka tsy tokony nodarohina intsony izy fa nanarina fotsiny ihany mba hahatsara ny fiainany. Ankizivavy kely teo an-tanana avy tao amin’ny trano fidiovana kosa no nahita azy efa nihantona tamin’ny tady ka nampandre ny fianakaviana sy ireo tompon’andraikitra. Efa tonga nanao ny asany nanao ny fizahana ny razana moa ny mpitsabo avy amin'ny BMH raha toraka izay ihany koa ny polisim-pirenena.
Pati
Legende: Tahaka izao no niseho tao amin’ny trano nahitana ny vatana mangatsiakan’Itompokovavy omaly !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap