ilay tena tompon’antoka
Nivoaka ny didim-pitsarana momba ilay raharaha fitrandrahana sokatra an-tsokosoko tao Toliara tamin’ny volana marsa 2026 lasa teo. Olona miisa telo, tsiahivina ihany, no voasambotra ka notsaraina teo anivon'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly na PAC. Voaheloka folo taona an-tranomaizina ilay olona voatondro ho tomponantoka voalohany tamin’ity raharaha ity. Dimy taona an-tranomaizina kosa ho an’ilay faharoa, noho ny andraikiny tamin’ny fanamorana ny trafika. Samy nahazo lamandy dia 100 tapitrisa Ariary izy ireo ankoatra ny fanagadrana azy. Afaka noho ny fisalasalana kosa ilay fahatelo izay voalaza fa mpandika teny.
Jean D.