airtel

Actualités

07-sept-2022

Actualités

Trafikana volamena 17 kg mahery 60 tapitrisa Ar no kolikoly namoahana azy ?

Sample post image

Ny alin’ny alakamisy 25 aogositra no nahatrarana ireo volamena milanja 17kg mahery saika haondrana any Dubaï no sarona tamin’ny sidina Air Madagascar ho any Paris.

07-sept-2022

Olona 4 no naiditra am-ponja vonjimaika momba io raharaha io. Tombanana ho ny irakiraka madinika fotsiny tahaka ny mahazatra ireny olona nalefa any am-ponja ireny, ary tsy ampahafirin’ny volamena mivoaka antsokosoko io tratra io. Raha ny loharanom-baovao azo antoka, efa vita daholo hono planina rehetra hatramin’ny hametrahana ny entana any anaty fiaramanidina, ary efa voazara ho 20 tapitrisa Ar isaky ny dingana na “étape” izay miisa 3, izany hoe: 60 tapitrisa Ar. Raha ny loharanom-baovao azo hatrany, teo amin’ny sakana nialohan’ny farany no nitranga ny olana satria efa vita lamina tamin’ireo “garde barrier” an’ny orinasa A……, fa 20tapitrisa ar no omena azy ary nirava niasa (gardes sortantes). Tsy nizara an’ilay vola tamin’ireo vao hiditra hiasa (gardes rentrantes) ka tamin’ity farany no niantso ny zandary hoe: misy “carton” tsy mazava lasa any amin’ny fiaramanidina any, ka teo tratra ilay entana. Nomarihin’ny loharanom-baovao, fa toe hoe: efa nahazo “consigne” ireo mpiasa handefa malalaka izany “carton” izany, kanefa moa tsy nahazo ny anjarany ireo “agent” miisa 2 vao niditra, ka tezitra mafy ary nanontsana ny namany. Voalaza fa voaroakan’ny orinasa nampiasa azy ireo “agent” 2 ireo amin’izao . Nisy ihany koa ny fanamarihana, fa mpiasan’ny S…….. 3 lahy no nitondra ny entana, tratra ambodiomby teny amin’ny tarmac. Tsy vao sambany, fa efa am-polony ny voalaza fa fihetsika mitovitovy amin’izany, ahiana ho fanondranana antsokosoko hatramin’ny niverenan’ny sidina iraisam-pirenena. Vitsy no tratra fa maro no “mission accomplie” sy efa tsara rindra. Misy olona ambony voatonona ho mpanao ny drafitra fanondranana rehetra miainga miainga eto hatrany Dubaï. Tsy atao mahagaga ny fisian’izany satria hatramin’ny volamena any anaty Minisitera aza manjavona, tsy ny avy amin’ny mpanohitra mihitsy no afaka hanao tahaka izany fa ny manana fahefana. Matoa mbola misy mahasahy manao fanondranana, dia manana mpiaro matanjaka. Toa sinema sisa no betsaka amin’ny resaka famoahana ny marina mikasika ny trafika avo lenta eto.


Ny fanondranana ara-dalàna nakatona nanomboka ny oktobra 2020, fa ny trafika avo lenta tsy mety tapitra. Raha ny re aza, dia katsahina mbola hofehezina tsy hovahana mihitsy io fanondranana ara-dalàna io satria manimba ny tsenan’ny mafia. Asa firy taonina no henjehina tsy maintsy haondrana any ivelany ?

Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap
22-avril-2024

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

Card image cap
19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap