airtel

Actualités

06-mars-2026

Tranga nampihoron-koditra

Ny tapany ambanin’ilay zaza

Sample post image

8 taona sisa navelan’ny voay

06-mars-2026

Nampihoron-koditra ilay zava-doza niseho tany amin’ny Kaominina Berefo, distrikan’i Belo-Tsiribihina. Zazalahy sahabo ho 8 taona no namoy ny ainy lanin’ny voay, ny alarobia 04 martsa tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina. Nandro tao amin’ny reniranon’i Tsiribihina ilay zaza ka nataon’io voay io haza. Nitazam-potsiny ny fokolona fa tsy afaka nanao na inona na inona.. Voalaza fa nentin’ilay voay tany anaty rano nosemporiny, ary ny sarin’ilay voay nipoitra nitelina ilay zaza no azo tamin’ny horonantsary. Rehefa natao ny fizahana omaly, dia ny tapany ambanin’ilay zaza sisa no hita omaly tokony ho tamin’ny 11ora sy fahefany atoandro, fa ny tapany ambony efa natelin’ilay voay. Tena nampivarahontsana sy nahaontsa ! Tsy tao an-toerana ny renin’ilay aza tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza! « Ho an'ny renirano any Tsiribihina, iny Manambolo iny ihany koa dia feno mistery tokoa. Maro voay iny toerana iny kanefa tsy mba mihinana olona fahatany…», hoy ny fanamarihan’ny olona sasany. Samy manana ny firesany moa ny rehetra fa ny zava-dehibe dia mima mitandrina. Nilaza moa ny teo anivon'ny CIRGN Antananarivo fa bidy tena mampidi-doza ny voazy ary tsy azo akaikezina mihitsy. Raha misy voay amin'ny toerana andalovan'ny olona (toy ny renirano na farihy akaikin'ny tanàna) dia tokony hisy fepetra fiarovana ho an'ny mponina: famantarana ny loza, fandraràna, fanaraha-maso, fefena asiana sakana,… Apetraka ny fitsipi-piarovana : tsy azo hilomanosana, tsy mahazo mandeha irery, tsy mahazo mitondra akizy, tsy mahazo mamono biby na manary fatim-biby anaty rano,... Mampandre ny manampahefana rehefa mahita voay mampidi-doza. Tsy azo atao ihany koa ny mamono voay amin'ny ankapobeny raha tsy misy fahazoan-dalàna, ny voay (crocodyle-niloticus) dia voaaro sy fehezina ny fihazana azy, saingy raha mamoa-doza kosa dia azo atao tsara ny misambotra sy mamindra toerana na famonoana, saingy tsy olon-tsotra fa manam-pahefana no manao azy, hoy ny fanazavana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap