na toeram-pamonoana omby, ary nofatorana ilay omby fa hovonoina ny ampitso. Teny an-dalana dia efa hafahafa ny fandeha sy fihetsik'ilay omby raha ny tsikaritry ny olona, hoy ny fanamarihana. Akory ny hagagàna fa tapaka ny fatoran'ilay omby ny maraina tamin'ny 3 ora, ary nirifatra namonjy tokantrano iray nisy fahoriana tao Tafiankasika. Tora-kovitra ireo olona niandry ny razana fa nisisika hiditra ity omby na dia tery aza ny varavarana kanefa tsy nisy varavarakely azo nitsoahana. Ny tena nahavariana dia nanao fandry mitovy ilay razana ilay omby rehefa tafiditra tao an-trano, hoy hatrany ny fitantarana. Nantsoina ny sefom-pokontany sy olobe teo an-tanàna hanao fombafomba namoahana moramora ilay omby, raha ny fitantarana. Atoa Be Victorien Christiano moa no nanaparitaka ny fisian’ity tranga ity, izay nampametra-panontaniana ny maro no mety ho antony, ary samy naminavina teo ny mpaneho hevitra rehefa niparitaka be ity resaka ity. Tsara ihany koa ny manamarika sy mampahatsiahy fa mifamatotra amin’ny kolontsaina sy ny fomba Malagasy ny omby amin’ny ankampobeny, na an-karatsiana na an-kafaliana.
Nangonin’I Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa