Zazavavy kely iray manodidina ny 3 taona indray omaly no fantatra fa nisy nanary tao anaty taxibe-n’i Mahitsy. Taxibe niainga tetsy Vassacos niazo an’i Mahitsy no nisy azy io. Rehefa tonga tany amin’ny tobim-piantsonana farany anefa dia tsy nisy nitondra toy ny zanak’olona rehetra ilay tsy manan-tsiny hany ka nipitrapitra kely fotsiny no sady nitomany. Izany anarana haingo izany no niverimberina tao am-bavany, anarana izay tsy fantatra na anaran-dReniny na anaran’ilay olona mety ho nitondra azy ka nanary azy. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : tena nariana marina ve ity zazavavy kely ity sa adinon-dReniny na izay olona nitondra azy. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy tokony hisy Reny hanadino zanaka izany na olona nitokisana nampitodraina zaza ka hanary izany eny an-dalana. Napetraka ao amin’ny zandarimariam-pirenena ao Mahitsy moa ity zazavavy kely ity mandrapahitan’izay fianakaviany.
Pati
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny