airtel

Actualités

12-mai-2026

TRANGAM-PIARAHAMONINA

Mitombo isa ireo Reny mamono

Sample post image

sy manary zanaka

12-mai-2026

Mitombo isa indray ireo Reny lasa mamono sy manary zanaka eto amintsika. Tranga roabe izao no manaporofo izany toy ny nitranga tany Begidro, distrikan'i Belo sur Tsiribihiana omaly Alatsinainy 11 May. Fatin-jazakely vao teraka iray no hita teo amoron’ny reniranon'i Tsiribihina. Nampandre avy hatrany ny manam-pahefana ireo mponina teny an-toerana ka efa nosokafana ny fanadihadiana raha efa noraisina an-tanana kosa ny fandevenana ny razana. Toraka izany koa ny tao Ambohimahasoa Fianarantsoa. Tovovavy mpianatry ny lisea iray any an-toerana no nosamborina ary nalefa nitsabo tena ao amin'ny hopitaly Ambohimahasoa, omaly Alatsinainy ihany. Fantatra mantsy fa bevohoka 4 na 5 volana eo ho eo izy io ary noesoriny ilay zaza. Nariany tao amin'ny tranon-kisoa ilay zaza taorian'izany ka hitan'ny olona, Antony nahatonga izao fanapahan.kevitra hisambotra azy izao. Araka ny fanazavan'ny psikology iray moa dia noho ny tahotra ny handray andraikitra sy ho bedin'ny Ray aman-dReny ho an'ny tovovavy mpianatra no anisan'ny antony voalohany manosika azy ireny hanala Zaza. Ho an'ireo efa feno taona kosa indray dia misy ireo narian'ny Rain-janany nefa tsy an'asa arahin'ny tahotry ny vavan'ny olona no antony manosika azy hanaotao foana tahaka izany.
Pati
Légende : Ilay zaza nalana nariana tao anaty tranon-kisoa!
 

Dans la même rubrique

12-mai-2026

Raitritra indray ny fanoherana fandaminana

Card image cap
12-mai-2026

asa fanarenana Hanomboka tsy ho

Card image cap
12-mai-2026

be, fikasihan-tanana,… » Voarohirohy

Card image cap
12-mai-2026

Diso izany! Ny havany aza nisaotra ny Fitondram-panjakana »

Card image cap
12-mai-2026

Hanamboatra tsena vaovao ny Ben'ny tananan'i Bemasoandro

Card image cap