nahatratra ny taona vaovao teo aloha ho an’ireo trano fandraisana lanonana dia tena maina tanteraka izany ankehitriny. Nihena hatrany amin’ny 60% ny mpanjifa raha araka ny fanazavan’ny mpitantana trano fandraisana lanonana iray eto an-drenivohitra ka ireo mifampiarahaba nahatratra ny taona no tena tsy misy. Tsy misy manao izany intsony ireo orinasa lehibe izay mpanjifan’izy ireo teo aloha. Mikaikaika vokatr’izany izy ireo, ampian’ny andro ratsy izay mampihemotra hatrany ireo orinasa…tokony hanao fety. Nambarany moa fa vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany. Izy ireny rahateo somary nampiakatra kely ny vidin’ny sakafo arosony noho ny fidangan’ny vidin’entana eny an-tsena. Raha 50.000 Ar isan’olona teo aloha mahavita hatramin’ny ody ambavafo dia efa niakatra 55.000 Ar ankehitriny. Nambaran’ity mpitantana trano fandraisana lanonana iray ity moa fa mety tsy hahavelona ankohonana intsony ny asa sahanin’izy ireo atsy ho atsy raha mitohy izao. Ho an’ireo mpanao mariazy indray dia fantatra fa tamin’ny fiandohan’ny volana Janoary no mba nisy kely dia nangina tanteraka hatramin’izao faramparan’ny volana Febroary izao.
Pati
Legende : Mihena hatrany ny mpanjifan’ireo trano fandraisana lanonana !
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa