airtel

Actualités

27-avril-2026

TRANO FANDRAISANA

RAZANA Be mpitady, 700.000 Ar isan'andro ny hofany

Sample post image

Miitatra hatrany ny asa fitadiavam-bola

27-avril-2026

hataon'ny olona eto amintsika. Samy manao izay ho afany ny rehetra hamaliana ny filan'ny mpanjifa amin'ny lafiny rehetra. Ho an'ireo manana trano dia tsy voatery hampanofaina isam-bolana intsony izany. Efa azo hatao tsara ny mampanofa azy ireny isan'andro handraisana razana indrindra raha amoron'arabe sy mitokana ary lehibe, hanamaivanana ny fahasahiranan'ireo mana-manjo. Ho an'ilay ivon-toerana iray vaovao etsy Tsimbazaza na Home Maison funéraire dia 700.000 Ar isan'andro ny hofany. Afaka mikarakara ny antontan-taratasin'ilay maty ihany koa izy ireo hoy ny vaovao azo. Ankoatra izay dia afaka mandray an-tanana ny sakafo ihany koa saingy tsy maintsy mitsahatra amin'ny 10 ora alina ny famangiana ary tsy misy ny fiandrasam-paty ho fanajana ny manodidina. Misy amîn'izy ireny ihany koa no afaka mikarakara ny fiara hitondrana ny razana, ny voninkazo....Be mpitady moa ireny ivon-toerana ireny amin'ny ankapobeny saingy natokana ho an'ireo manana fahafahana ho amin'izany kosa. Ho an'ireo sahirana mantsy dia izay trano misy no tsy maintsy hiandrasana ny razana.
Pati
Légende : Efa misy ny olona voatokana hikarakara ny razana tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap