fitoriana ireo mpitarika ho an’ny eto Madagasikara. Fa inona tokoa moa ny Transparency International (TI). Rafitra na fikambanana iraisam-pirenena iray tsy miankina amin’ny faanjakana izy io, ary avy any Allemagne no niandohany. Tanjona sy iraka lehibe iantsorohany ny ady amin’ny kolikoly ataon’ireo governemanta sy rafi-panjakana maneran-tany. Tany amin’ny taona 1993 no namoronan’ilay teratany Alema Peter Eigen azy ary efa misandrahaka maneran-tany izy ankehitriny, manana rafitra mizaka tena mielim-patrana amina firenena miisa 110. Izy no mandahatra sy mijery ny filaharana amin’ny ady amin’ny kolikoly, ary tsy mikoso-maso eo anatrehan’ny fahalovana misy, eny fa na any amin’ny firenena matanjaka tahaka ny ao anatin’ny Vondrona Eoropeanina aza. Fantatra amin’ny famoahana ny filaharana samihafa mikasika ny ady amin’ny kolikoly izy, ny filaharan’ireo firenena, ny tondro momba ny kolikoly isaky ny firenena, ny fanarahan-dalàna eo amin’ny fifanakalozana iraisam-pirenena,… Mipetraka ho mpanara-maso ny fiasa mandala ny demokrasia amin’ireo rafi-panjakana nasionaly, ary mitondra ny heviny sy ny fijeriny manoloana ny asa sy ny fihetsiky ny governemanta ny Transparency International. Heverina ho manampy sy miaro ny vahoaka eo anatrehan’ny fitantanana mibirioka misy ao anatin’ny firenena iray noho izany izy io raha raisina amin’izany.
Toky R
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny