airtel

Actualités

09-mai-2022

Actualités

Transparency international -Madagascar “ Avoahy i Jeannot Randriamanana”

Sample post image

Jeannot Randriamanana dia mpampianatra ao amin'ny CEG ao Mananjary. Nanao fanairana izy tamin'ny alalan'ny tambazotra sosialy Facebook momba ny zava-misy iainan'ny mpianatra sy ny fampianarana any Nosy Varika

09-mai-2022

ary ny fanodikodinana fanampiana ho an'ireo traboinan'ny rivodoza Batsirai, hoy ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny Transparency international initiative Madagascar, Rafitoson Ketakandriana. Noho ireo dia notorian'ny loholona sy solom-bavambahoaka ary sefo CISCO izy ary voaheloka 2 taona an-tranomaizina, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy rariny io fanenjehana azy io satria zon'ny olompirenena tsirairay ny maneho ny heviny ary manaitra ny fiarahamonina misy azy amin'ny zavatra tsy mety hitany. Noho izany dia manentana antsika hiaraka hitaky aminay ny famontsorana tsy misy hatak’andro an'i Jeannot Randriamanana ary ny fanafoanana ireo fanenjehana rehetra azy, hoy hatrany ny TI-IM.
J. Mirija
Legende: Ketakandriana Rafitoson, tale mpanatanteraky ny Transparency international initiative Madagascar
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap