airtel

Actualités

22-juil-2022

Actualités

Trosa 90 tapitrisa dolara amin'i Inde Tafiditra ao anatiny ny resaka "bus" be

Sample post image

Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 20 jolay 2022 ny hirosoana amin'ny famatsiam-bola avy amin'ny Governemanta Indiana amin'ny alalan'ny EXIMBANK any Inde,

22-juil-2022

izay hampiasaina amin'ny sehatry ny fiarovam-pirenena, fambolena sy fiompiana, angovo azo avaozina, fitaterana an-tanety sy fitaterana an'habakabaka, indostria madinika,... hoy ny Fanjakana. Mitentina 100 tapitrisa dolara io famatsiam-bola io, ka ny 10 tapitrisa dolara amin'io dia fanomezana tsy averina, izany hoe: 90 tapitrisa dolara trosa. Hiroso avy hatrany amin'ny fandraletana sy ny fanasoniavana ny fifanaraham-pamantsiam-bola ny fanjakana Malagasy sy ny EXIMBANK Inde/Governemanta Indiana. Nampidirina ao anatin'io avy hatrany ny hoe: nisy ny fampanantenana fanohanana avy amin'ny Filohan'ny Repoblika ho an'ireo mpandraharaha ara-pitaterana vonona hanova ny fiarany, araka ny dinika nambara fa natao. Fiara fitateram-bahoaka lehibe (bus) izay mahazaka olona 25 mipetraka sy 25 mitsangana no takiana amin'izany, ka horaisin'ny fanjakana malagasy an-tanana ny ampahany amin'ny vidiny. Hisy ampahany amin'izay famatsiam-bola avy amin'i Inde izay araka izany hampiasaina amin'ity fanohanana (subventions) ho an'ny fanavaozana ny fiara fitaterana ho an'ireo mpandraharaha hiroso amin'ny fanoloana ny fiarany ity. Hentitra ny toromarika avy amin'ny Filohan'ny Repoblika, ny hanafainganana ny fanatanterahana ny fifanaraham- pamantsiam-bola mba ahafahan'ny mpitatitra misitraka ihany koa faran'izay haingana ny tohana avy amin'ny Fanjakana, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra. Efa hatramin'ny tetezamita no niresahana an'ity bus be ity, saingy tsy nety tanteraka, ary izao hitrosana volabe amin'ny Indianina izao. Matetika mahita zavatra vaovao ambara fa hatao foana ny Fanjakana rehefa krizy ohatr'izao. Miakatra ny vidin'entana, milaza fa hivaha anatin'ny telo andro, hanafatra sambo 20, miakatra ny saran-dàlana dia io fa hoe hanafatra bus be,... Ny taksibe be amin'io toa tratry ny fampiadiana ankolaka. Fiara 500 hatramin'ny 1000 moa no re fa hafarana. Rahoviana no ho tanteraka io? Ohatrinona ny sarany? Tena vonona ve ny mpandraharaha? Vonona ve ny fandaminana sy ny fotodrafitrasan'ny tanàna? Mba manao ahoana ny sehatra hafa sa vitan'ny pimaso sy fanarian-dia amin'ny bus be izay mety ho vahaolana tokoa sa mitaky fepetra maro? Izany ve no tena maika amin'izao olam-bahoaka izao?
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap