airtel

Actualités

03-nov-2021

Actualités

Trosan’ny mpanao làlana amin’ny Fanjakana Ampanantenaina vola, tsisy fe-potoana mazava

Sample post image

Nangataka fihaonana tamin’ny Minisitry ny asa vaventy ny solontenan’ireo orinasa misehatra amin’ny asa vaventy, nanamboatra làlana sy fotodrafitrasa samihafa, kanefa mbola tsy nahazo ny tambiny.

03-nov-2021

“Tompon’andraikitra hafa teo anivon’ny Minisitera no nandray azy ireo omaly, ka valin-teny azon’izy ireo tamin’izany dia ny hoe: “efa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny dosie ho an’ny orinasa miisa 160 ao anatin’ny faritra miisa 13, efa ao anatin’ny fikirakirana ny fandoavam-bola na “payement”. Ny faritra 9 kosa dia ao anatin’ny fanadihadiana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika”, araka ny tatitra nataon-dRafenomanana Ravaka, mpandraharaha tompona entreprise. Saika hanao “sit-in” omaly, fa noho izay valin-teny izay, dia nisafidy ny hoe: aleo aloha hanaja tena, hajaina ny zavatra nolazaina hoe ao anatin’ny fikirakirana (en cour de traitement), dia mety efa hisy fandoavam-bola na “payement” atsy ho atsy. Raha mbola tsy misy valiny, dia hiverina hanao fihetsiketsehana indray izahay aoriana ao, hanao “sit”. Tsy nisy kosa anefa ny fe-potoana mazava momba ny fandoavam-bola. Efa nanome fe-potoana tamin’ny 7 oktobra 2021, ary izay no nahatonga ny hetsika. Ho an’ny omaly, tsy nanome fe-potoana ireo orinasa, fa miandry satria efa nanome toky fa efa akaiky, efa andalam-pikarakarana, efa handoa vola, efa akaiky be,… Ny dikan’izany, ny anay atao hoe: voavaha ny olana, dia tonga ao amin’ny kaonty tsirairay ny vola, ka rehefa tsy tonga ao anatin’ny fotoana hitanay fa maharitraritra na hoe: hatreto, dia tonga eto indray manao “sit-in”. Raha toa misy mahazo, ary misy tsy mahazo dia mitambatra foana hatreto satria izay maha vondrona orinasa azy. Ny ankamaroany efa tapitra tamin’ny desambra 2020 ny asa, efa herintaona tsy nandray vola. Marihina hatrany, fa mahatratra 230 ireo orinasa tsy voaloa vola, ka mahatratra 33 miliara Ar eo ny trosa ananan’izy ireo amin’ny Fanjakana. Ny fampiatoana ny asa fanamboaran-dàlana vatsian’ny FR (Fonds Routies) ny araka ny didim-panjakana nivoaka ny 27 oktobra teo, dia maneho fa toa banky ropitra ny Fanjakana ka asa na ho voaloa tokoa ny volan’ireo orinasa na mbola mandeha ny toky fitaka ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap