airtel

Actualités

20-janv-2025

TSARARIVOTRA TOAMASINA

Ramatoa saro-piaro dia mila vaniny amin’ny vehivavy tsara tarehy ?

Sample post image

Ahitana trangan-javatra maro samihafa ao Toamasina ao.

20-janv-2025

Ramatoa iray manodidina ny 40 taona indray no fantatra fa tena saro-piaro mafy amin’ny vadiny ary mitarika disadisam-piaraha-monina hatrany. Raha araka ny fantatra mantsy dia ilan’izy io vaniny avokoa izay vehivavy tsara tarehy sy bikana mandalo manoloana ny tranony rehefa mitodika mankany amin’izy ireo. Voalaza ho amoron-dalana mantsy ny trano misy azy ireo. Ho fiarovany am-badiny tsy hierika amina vehivavy na ho lasan’ny olona no voalaza ho antony mahatonga izany ka nisy tamin’ireo vehivavy ireo no efa nifamaly taminy mihitsy raha ny vaovao azo avy any an-toerana. Tsiahivina moa fa mariky ny fitiavana olona iray ny hasarotam-piaro eo amin’ny olon-droa. Na izany aza tokony ho lanjalanjaina ihany izany mba tsy hampanaotao foana na hifamaliana aman’olona mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Sady masiaka olona no masiaka tsy fandriampahalemana eto Toamasina !
 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha iray anenjehana an’i Fernand Cello,

Card image cap
25-juin-2025

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa nandinihan’ny teo anivon’ireo

Card image cap
25-juin-2025

Triatra ny fo, hoy ny renim-pianakaviana iray, mahita ireto mpiray tanindrazana mifandimby

Card image cap
25-juin-2025

Niamboho omaly ny Me Lala Ratsirahonana, Mediatioran’ny Repoblika. Mpisolovava,

Card image cap
25-juin-2025

Mafy ny mahazo ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy.

Card image cap
25-juin-2025

Ny tsy fananan'asa no anisan'ny fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap