Vehivavy roa nanahy lamba teo amin’ny tady ambonin’ny vovon-drano omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany no latsaka tampoka tao anatiny ka namoy ny ainy. 17 taona sy 19 taona izy ireo izay samy monina ao amin'ny Fokontany Tsaratanana, Andohan’Ilakaka. Raha araka ny fantatra dia 30 metatra ny halalin’io vovon-drano io, ary efa tsy niasa nandritra 3 herinandro izy izao nihotsaka tampoka izao. Simba mantsy hono izy raha manampy trotraka izany ny rotsak'orana nifanesy. Ora roa latsaka taorian’ny zava-nitranga vao azo ny razana voalohany raha 30 minitra taty aoriana kosa ny razana faharoa. Tsy nisy azo natao tamin’izy mirahavavy ireto intsony moa ankoatra ny fikarakarana ny razana. Amin’ny zoma ho avy io avokoa no alevina izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanavotana azy mirahavavy omaly
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa