airtel

Actualités

04-mars-2024

TSARATANANA

Lehilahy iray nanolana sy nahabevohoka zaza tsy ampy taona

Sample post image

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona indray no fantatra fa nanolana sy nahabevohoka

04-mars-2024

zazavavy kely iray tsy ampy taona vao 12 taona monja tany Ambohidronono, kaominina ambanivohitra Ambakireny, distrikan'i Tsaratanàna. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia in-telo naolan’ity lehilahy tsy mataho-tody ity io zazavavy kely io tamin’ny volana Desambra teo. Vokatry ny fiovan’ny fihetsik’ilay zaza tsy manan-tsiny moa no nahafantarana ny fanolanana nahazo azy. Notantara izy rehefa nanontaniana ary nentina tany amin’ny mpitsabo kinanjo efa nitoe-jaza ihany koa. Efa voasambotry ny zandary miasa any an-toerana tamin’ny faran’ny herinandro teo moa ilay lehilahy ary efa mandeha ny famotorana ankehitriny. Efa 2 volana kosa ny kibon’ilay zaza hoy ny vaovao, ka mety tsy afaka hanohy ny fianarany intsony izy mandrapahaterany. Tsiahivina moa fa miisa 144 hatreto ny trangana fanolanana hita sy fantatra ary voarain’ny eo anivon’ny Fitsarana etsy Anosy raha mbola tsy fantatra ny ambiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanolana !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap