ny mahita ny Maison française-malgache Rajaon Maromino. Ny filazan’ireo zanatany azy moa dia hoe tsenakely fivarotana mofo getraka ao Fianarantsoa. Mbola mijoro tsara, 127 taona mahery aty aoriana izany tsenakely izany, raha ny fampitàm-baovao voaray. Ny 1 aogositra 1898 moa no niorina ity tsenakely nampisalorana ny anarana ho trano iombonan’ny frantsay sy malagasy ao an-toerana ity, raha ny voasoratra amin’ny takelabato eo an-doham-baravarany. Fotoana izay azo lazaina ho tena nampamaivay ny fanjanahantany frantsay. Hahafahana mandray lesona ity fa rehefa tiana sy kaliana ny asa fihariana iray toy ny raharaha ara-barotra, dia mitoetra sy voatazona foana ny mpanjifa, ka mitety vanim-potoana tahaka itony.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»