airtel

Actualités

09-nov-2022

Actualités

Tsimialonjafy Mahamasina Ahiana hampidi-doza ny andrin-jiro iray

Sample post image

Nangataka fandraisana an-tanana na “intervention” farany izay maika avy amin’ny JIRAMA ny olom-pirenena iray omaly fa misy andrin-jiro iray tapaka ary atahorana hampidi-doza eny Tsimialonjafy Mahamasina eny.

09-nov-2022

Misy fianakaviana tsy tafiditra ao an-tranony noho io tranga io, hoy izy. Efa nantsoina telefaonina hatramin'ny tamin'ny 12 ora tolakandro ihany fa mbola tsy tonga hatramin'izao (TTF: omaly hariva tokony tamin’ny 6 ora sasany). Ireo tariby na “fil” no mbola mampijoro ilay andrin-jiro, hoy hatrany ny tenany. Niezaka nanaparitaka ity zava-misy ity tao anatin’ireo vondrona samihafa anaty tambazotran-tserasera moa ity olompirenena ity, raha ny tatitra nataony hatrany, saingy nesorin’ny vondrona antsoina hoe “Mpanjifa JIRAMA” tao anatin’ity vondrona ao anaty Facebook ity tao ny fampandrenesana nataony mikasika ity andrin-jiro ahiana hampidi-doza eny Tsimialonjafy Mahamasina ity.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap