airtel

Actualités

05-nov-2025

Tsingerin-taonan’ny Amiraly Ratsiraka

Napetraka omaly ny takelam-pahatsiarovana

Sample post image

Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona

05-nov-2025

nahaterahan'ny Amiraly Didier Ratsiraka dia napetraka ao Vatomandry omaly, izay toerana nilatsahan'ny tavoniny, ny takela-pahatsiarovana misy ny sariny sy ny fianakaviany, raha ny fampitàm-baovao voaray. Nanontrona izany ireo fianakaviana sy ny havana aman-tsakaizan’izy ireo. Teraka ny 4 novambra 1936 tao Vatomandry ny Amiraly Didier Ratsiraka Ignace ary nodimandry 28 martsa 2021 teo amin’ny faha 85 taonany. Efa minisitry ny raharaham-bahiny malagasy ny taona 1972 hatramin’ny 1975. Filohan’ny repoblikan’i Madagasikara ny taona 1976 hatramin’ny 1993 ary mbola tafaverina teo amin’izany fitantanana ny firenena izany indray avy eo ny taona 1997 hatramin’ny 2002. Nanangana ny antoko politika AREMA na «Association pour la renaissance de Madagascar» ary nanoratra ny boky mitondra ny lohateny hoe «Charte de la révolution socialiste malagasy», izay namolavolana ihany koa ny atao hoe «Boky mena» na ny paikadim-pampandrosoan’ny fitondràna Ratsiraka tamin’izany fotoana izany. Azo lazaina ho filoham-pirenena avara-pianarana, raha i Didier Ratsiraka, satria ankoatran’ny fiofanana ara-miaramila izay nahatonga azy hanana ny grady tena ambony Amiraly dia nampiavaka azy ny fironana tamin’ny ideolojia sosialista tamin’ny andron’ny firaisana sovietika na URSS, izay voalaza ho nananany fiofanana manokana ihany. Eo indrindra ihany koa ny fahaizany tenim-pirenena maro toy ny teny frantsay, anglisy, espaniolina sy ny hafa tsy voatanisa, fahavelony.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap