airtel

Actualités

12-avril-2023

Actualités

Tsiroanomandidy Nilaza ho tsy mahefa amin’ilay ady tany ny fitsarana

Sample post image

Nivoaka omaly maraina ny did im-pitsarana mikasika ilay fifanolanana ara-tany eo amin’ny ben’ny tanànan’i Tsiroanomandidy sy ny Fikambanan’ny Zanak’Androy.

12-avril-2023

Nilaza ho tsy mahefa hitsara ity raharaha ity ny fitsarana ady madio ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy, hoy ny fampitam-baovao voaray. Mbola manana 8 andro hanaovana fampakarana ny andaniny sy ny ankilany raha toa ka tsy afa-po amin’ny didim-pitsarana izay nivoaka. Raha hiverenana ny zava-nisy, nametraka fitoriana ady madio tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy ny ben’ny tanànan’i Mananjara, Jaona Razafindredohy, izay nilaza fa ny kaominina no tompon‘ny tany. Ny fikambanan’ny zanak’i Androy, etsy ankilany, dia nilaza fa tsy manana taratasim-pitsarana na «juridique» ny kaominina fa ny zanak’izy ireo izay nandova io tany io no efa nanao fangatahana ny taona 1988 ary ny ray aman-drenin’izy ireo no nanazary ny toerana ny taona 1981. Hatreto dia samy tsy manana «certificat juridique» na ny kaominina na ireto toriana ka dia izao nilaza ho tsy mahefa hitsara ny raharaha izao ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Legende : Ny ben’ny tananan’i Tsiroanomandidy
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap