airtel

Actualités

03-oct-2022

Actualités

Tsiroanomandidy Odian'ny minisitra fanina ny momba ilay Prefe ?

Sample post image

Rehefa niha-nafana ny raharaha ary niha-nivoaka tsikelikely ny marina manoloana ny olana mampikaikaika ny mponina ao Bongolava ao,

03-oct-2022

dia nisy ihany ny fanapahan-kevitra niainga ka nanesorana ny delegen'ny boriborintany tao amin'ny kaominina Fihaonana Tsiroanomandidy ka namindrana toerana azy. Matoa aloha noraisina izay fepetra izay, dia ao raha… Saingy mbola tsy mahafapo ireo mpitaky ny fandraisana andraikitra izany satria, efa tara loatra hoy izy ireo ny fepetra, ary tsy ny delege ao Fihaonana irery no mampikaikaika ny vahoaka fa delege aminy kaominina maromaro ao amin’ny faritra Bongolava mihitsy izay heverin’ireo mitaraina fa ny prefe ao Bongolava no maniraka azy ireo manao fitakiana vola tsy ara-drariny amin'ny vahoaka, indrindra ireo misehatra amin'ny fiompiana omby.
EFA NITARAINA SAINGY…
Raha tsiahivina dia efa nitondra ny fitarainana tany amin'ny minisitry ny atitany ireo ben'ny tanàna ao Bongolava. Nisy natao an-taratasy izany ary nisy noresahana mivantana mihitsy, saingy mahagaga fa tsy mandray fepetra mifanaraka amin'ny zava- misy ny minisitra. Toa odiany fanina aza, hoy ny fanamarihana, fa ingahy prefe no tena olana ao Bongolava ka mahatonga ireo delege sasany manampatra tanteraka. Ho an'ireo ben'ny tanàna ao Bongolava, dia efa tsy mijanona amin'ny fanesorana ireo delege manao fakam-bola tsy ara-drariny amin'ny vahoaka intsony ny fitakiana, fa mitaky ny hanoloana ny prefe ao an- toerana mihitsy. Isan'ny nijoro ary manohana ny fitakian'ireo ben'ny tanàna ao Bongolava amin'izany tokony hanesorana ny Prefet izany ry zareo FITEAM (Fikambanan'ny Terak'Androy eto Madagasikara) ao Tsiroanomandidy ao. Tsara dia tsara hoy ireto fikambanan'ny Antandroy ao Tsiroanomandidy ireto raha midina ifotony mihitsy ny minisitry ny atitany, mihaino sy mifampiresaka amin'ny vahoaka mivantana hamantarana izay zava- misy marina, fa tsy mionona fotsiny amin'ny fihainoana ireo olona karamaina ampitenenina lainga sy tsy miaina ary tsy mahita akory ny tena fampahoriana ny vahoaka any an-toerana.


Efa tena maro ny porofo an-taratasy naseho mahakasika ny fomba fiasan’ity prefe ity, hoy ireo olona mitaraina ka mbola tsy ampy ihany ve sa sanatria mifampiaro ny samy administratera sivily ?
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap