Efa nisy fikaonandoha isan-tsehatra samihafa vita talohan’iny fakàn-kevitra natao tao anatin’ny 8 andro iny izay, hoy ny fampahatsiahivàn’ny mpamakafaka fiainam-pirenena, Tsivery Mao Tse-Toung. Teo, hoy izy, ny fananan-tany, toekarena, fitsaràna, indrindra, ny tanora. Rehefa zohiana nefa dia toy ny nandeha ila ihany satria tsy tena tafapaka tamin’ny tokony handray anjara fa mbola nipetraka foana ny fomba fanao mahazatra teto amin’ny firenena ny amin’ny mpiakamakama sy izay liana te handray anjara na dia efa fantatra izao aza fa tokony mba hanana fanajàna tena ihany ao anatin’ireny rehetra ireny. Tsy sanatria fanilihana izany. Aleo tara toy izay tsy misy nefa hoy ny fitenenana. Teboka lehibe isany tokony ho banjinin’izao fitondràna izao voalohany ihany koa ny resaka fifidianana. Herintaona nefa izany sisa raha raisina amin’ilay hoe tokony ho amin’ny herintaona ny fifidianana. Ireo efa mpilalao politika teto an-tanàna no maro an’isa tamin’ireo nandray anjara tamin’ny fakàn-kevitra. Tsy midika izany hoe tokony ho fafàna anaty tantara politika ireny rehetra ireny saingy nisy hetahetan’ny tanora nitakiana fanovàna toy ny adinodino teto. Efa nahazatra foana ny fametrahana fitokisana be loatra amin’ny mpiara-miombon’antoka izay noho ny famatsiana omeny dia lasa omena anjara teny sy fanapahan-kevitra foana izy anatin’ilay zotram-pifidianana. Tokony ialàntsika izany rehetra izany. Ny vahoaka malagasy ve efa tena afaka maneho safidy malalaka hahafahana tena mitondra fampandrosoana eto amin’ity firenena ity? Mbola hitohy ve ny fampelezan-kevitra manindrahindra olona na vondron’olona? Mbola izay manam-bola ihany ve no hahazo fahefàna sa izay tena manan-kevitra amin’izay? Fiteny teto amin’ny firenena tanaty taona vitsy izay ny hoe «fanovàna ifotony». Tonga amin’izay mihitsy ny anaran’ilay fitondràna ankehitriny amin’ny teny frantsay hoe «refondation». Fototra ny fanovàna. Tena azo atao ny manintsy! Tahotry ny ho very tombontsoa sa very fahefàna ve? Tokony ho fidiana amin’izay ny filoham-pokontany na filoham-pokonolona. Mbola resaka hafa koa io hoe «fokonolona» io ary tsy mety tonga any amin’ny vahoaka mihitsy ny tena fampandrosoana noho ny kajikajy hita ho nahazatra teto an-tanàna. Efa naha be resaka teto amin’ny firenena tamin’ny fotoan’andro ny filohan’ny CENI fa androany izy izao lasa olo-masina. Tokony hapetraka ambony latabatra daholo izany rehetra izany. Mbola misy azo ahintsy tsara ny tontolom-pifidianana eto amin’ny firenena ary isan’ny teboka lehibe indrindra tokony hahintsy ny fifidianana! Tokony hiainga any ifotony io. Tsy mba hisy fanetren-tena hifanatona ve ireo antoko politika marobe ireo raha mitovitovy fijery? Io izao dia efa lesoka satria manaraka ny politikam-panjanahana hoe zarazarao hanjakàna, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »