solombavambahoaka ny manara-maso ny asan’ny governemanta, hoy izy ireo. Ny fitsipaham-pitokisana izay nataon’izy ireo, araka ny andininy faha-103n’ny lalampanorenana dia maneho ny fahitan’ny olompirenena izay soloin’izy ireo tena fa tsy mahomby intsony ny fitantanana amin’izao fotoana izao. Nofoanana tsy araka ny lalàna velona nefa izany rehefa avy nihaona tamin’ny filoham-pirenena ireo solombavambahoaka. Ankehitriny dia mbola nofoanana ihany koa ny fihaonana teo amin’ny governemanta sy ny antenimiera roa tonta, lazain’ny andininy faha-102n’ny lalampanorenana fa fotoana ahafahan’ireo solombavambahoaka sy loholona mitondra ny feon’ny vahoaka, izay arahana mivantana amin’ny haino aman-jery rehetra. Izany rehetra izany dia mampiseho fa tafiditra ao anaty krizy eo amin’ny samy andrim-panjakàna na “crise institutionnelle” isika noho ny tsy fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny firenena, tsy fanajàna ny fisarahan’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna, tsy fanajàna ny hasin’ny olom-boafidy sy ny olompirenena nifidy azy. Fehiny dia tsy marin-toerana intsony ireo andrim-panjakàna noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fanarahan-dalàna ka dia miantso ny fampitsaharana sy ny famotehana ny firenena izay mampitombo ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena efa iainan’ny olompirenena rehetra amin’ny fiainana andavanandro, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto