airtel

Actualités

27-janv-2021

Actualités

Tsy fahampian’ny rano any Atsimo Mitaky fepetra maro vao afaka mandatsak’orana

Sample post image

Noho ny fahamainan’ny atmôsfera izay mitondra rivotra maina dia angamba samy

27-janv-2021

 

 

 

nahatsikaritra isika fa 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗺𝗽𝘆 𝗻𝘆 𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, hoy ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Araka izany, misy ihany ny rotsak’orana, saingy manila ary tsy ampy. Distrika sy kaominina vitsivitsy ihany no misitraka izany ao amin’ny faritra Atsimo andrefana, Androy ary Anosy. Amin’ny vanim-potoana handalovana rivodoza vao ampoizina ny hisiana orana indray mahazo amin’ny faritra atsimo rehetra, araka ny vinavina. Mety hanontany isika hoe fa maninona no tsy hanaovana hetsika fandatsahana orana ny any atsimo ? Misy ny fepetra ara-natoraly (resaka rahona, atmôsifera, …) takiana amin’ny fanantanterahana izany ary tsy tomombana ny fandatsahana orana amin’ireo toerana any atsimo noho ny 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐟𝐞𝐧𝐨𝐚𝐧𝐧𝐲 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 hahafahana manefa izany, hoy ny fanazavana ara-teknika. Hisitraka rotsak’orana kosa ny tapany avaratry ny faritra atsimo ny alakamisy 28 sy zoma 29 Janoary ho avy izao, raha ny tomban’ny sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro hatrany.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap