airtel

Actualités

13-juin-2024

Tsy fampidinana saram-pifandraisan-davitra

Andrasana toa an’Ambatobevohoka ilay fepetra

Sample post image

Andrasana toa an’Ambatobevohoka amin’izao fotoana izao ny fepetra

13-juin-2024

raisina amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra tsy mampidina izay saram-pifandraisan-davitra eto Madagasikara izay. Ny filohan’ny vaomiera tokony hanara-maso izany eny anivon’ny antenimieram-pirenena moa mbola hita ho variana miady ny hahazoana pao-droa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo. Tsy afaka atodika any intsony izany aloha ny fanantenana mikasika an’izay. Nilaza ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny sampan-draharaha miandraikitra izay fifandraisan-davitra izay na ny ARTEC fa hisy ny fepetra ho raisina kanefa mandeha ihany ity ny andro sy ny volana saingy tsy hita hoe inona izany izay fepetra izay? Toa mbola ilay sarany mampikaikaika ny mpanjifa hatramin’izay volana vitsivitsy lasa izay ihany no iainana ankehitriny? Efa lasa tsy vaovao intsony rahateo moa ny fampanantenana tsy tanteraka toy ny Flyover sy Tanamasoandro tao anatin’ity fitondrana ity na koa ny Miami Toamasina nampanantenaina ho toy ny any Etazonia kinanjo taty aoriana dia io lasa io hoe Miray hina sy mifankatia.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap