airtel

Actualités

29-janv-2024

Tsy fay tamin’ny QC STAR, Antares,…

Betsaka no tafaroboka tamin’ny Trading indray

Sample post image

Maro be ireo roboka amin'ny resaka "Trading" na tsy mahalala izay pitsopitsony akory aza.

29-janv-2024

Te hahazo vola aingana sy hanakarena tampoka dia voasoloky avy eo, raha ny fanadihadiana natao. Ny zoma teo moa dia Tchadianina 1, kameroney miisa 2 sy gabone 1 ary malagasy 3 mpisoloky amin'io resaka io no natolotry ny polisim-pirenena ny fampanoavana teny Anosy. Manam-pahaizana be daholo amin'ny informatika ireo afrikanina ireo, raha ny fanamarihana natao. Ilay tchadianina, lehiben'ny tambazotra, nahazo mari-pahaizana tany Moscou, Rosia. Ireo namany miisa 3 kosa mbola manohy fianarana eto Madagasikara. Mampiasa pejy Facebook miisa 5 izy ireo. Mandefa filazana mikasika ny "Trading" sy misarika olona ao. Rehefa raikitra ny resaka dia alefan'izy ireo amin'izay hanao ny laharana misy MVola na Orange Money na Airtel Money hanaovana petra-bola. Iza tokoa no tsy ho liana amin'izany hoe raha mametraka 500.000 Ariary dia mahazo 2.500.000 Ariary afaka ora 2 monja? Tapitra anefa ny adin'ny 2 fa tsy nisy akory ilay tombony be nifampiresahana. Rehefa anontaniana izy ireo dia mbola amin'ny Dolara, hoy izy, ilay sandam-bola fa mandefasa 200.000 Ariary fanampiny dia lasa Ariary avy hatrany sady voarainao ilay vola. Izay dondona dia mandefa. Manjavona avy eo ireo mpisoloky. Potehiny mihitsy ny "puce"-n’ny finday. Ao anatin'ny herinandro monja dia mahazo 100 tapitrisa Ariary ireto mpisoloky ireto. Olona 100 hatramin'ny 150 isa no voasoloky amin'izany. Olona mipetraka any amin'ny faritra no maro voasoloky. Ireo gasy 3 lahy no mividy "puce" ampiasaina handraisam-bola. Marihana fa, hevitry ny Sampana miandraikitra ny raharaha manokana eo anivon'ny Polisim-pirenena, hoy ny lehibeny, ny Commissaire principal de police, Samy Harison Olivier, no nanokatra fanadihadiana fa tsy nisy mpitory. Hita tsinona fa, niroborobo be ny fisolokiana sy ity resaka "trading" ity eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Ny raharaha QC STAR dia efa nisy olona nivondrona nitory azy teny amin'ny fampanoavana. Afaka mametraka fitoriana tsara koa, hoy hatrany ny fanazavana, izay voasoloky tamin’ity raharaha “trading” ity. Tsetsatsetsa tsy aritra etsy ankilan’izay no nanamarihan’ireo mpandinika fa itony QC STAR, Antares, Macropoline sy ny toy izany itony ilay antsoina ankapobeny hoe rafitra telozoro na “système pyramidale”, izay mahagaga hatrany moa ny mbola fisiana olona roboka amin’izy itony na dia efa marobe aza ireo nahatsiaro ho voasoloky tany aloha. Tsy dia mifanalavitra amin’ireny ihany koa, araka izany, ity hoe “Trading” ity saingy fisolokiana mivantanana kokoa nefa dia tena mbola marobe indray koa no roboka aminy amin’izao fotoana izao. Izay mbola tsy fay tamin’ny QC STAR, Antares, Macropoline sy ny tariny izany dia niroboka tamin’ity Trading ity indray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap