na “Pérmis de construire” mifandraika amin’ny lalàna laharana 2015-052 momba ny fanajariana ny tanàn-dehibe. Efa eny am-pelantanan’ireo mpanolon-tsaina sasany io volavolavon-dalàna io, ary fametrahana laharan’ny “déliberation” sisa aorian’ny mety ho fahalaniany, dia andrasana. « Tsy misy adala ka handeha hanohitra ny trano miorina eny ambony lakan-drano, saingy misy zavatra tsy milamina sy filalaovana voambolana. Misy fikasana handrodana ny trano rehetra sokajiana ho tsy nahazo alalana hanorina”, hoy ny Mpanolontsaina Monisipaly Lilie Rafaralahy avy amin’ny TIM sy ny Mpanolontsaina Clémence Raharinirina omaly. “Eo no sarotra be satria firy isan-jato amin’ny trano miorina eto Antananarivo marina no nahazo izany? Ahoana ny ho fiantraikan’izany anatin’ny fotoan-tsarotra, anatin’ny krizy ara-pahasalamana, fotoanan’ny rivodoza no handeha handrodana fananan’olona? Fahendrena ve ny hanome fahefana handrodana izany izay misy ady am-pitaka any amin’ny voambolana?”, hoy ireo mpanolontsaina mirahavavy ireo. Noho izany, tokony ho mazava ny zavatra hatao, dia iny no tapahana, fa tsy miova any amin’ny “délibration” ka fakoina avy avy eo hoe: efa nahazo alalana tamin’ny mpanolontsaina, hoy hatrany izy ireo.
FAHASAROTANA ARA-PANJAKANA
Henjana ny adihevitra satria misy lafiny mahatsara azy ary araka ny lalàna ny fandrodanana ireo fanorenana tsy nahazoana alalana. Mila fandinihana sy fandalinana ihany koa satria tafiditra ao anatin’ny famotehana fananan’olona na «destruction de bien d’autrui». Misy ny tena mila arodana noho izy mety ho loza mandindona ny fiarahamonina, fa mety misy kosa ny hoe : fampanarahan-dalàna no tokony hatao. Mila manaiky ho tompon’andraikitra amin’ny tsy fanjariana ihany koa ny Mpitantana satria isan’ny lesoka eto ny hoe na te hanao ireo dingana araka ny lalàna aza ny olona, dia henjana ny fahasoratana ara-panjakana na « lourdeur administrative », ny fitakiam-bola tafahoatra, ny kolikoly,… Etsy andaniny, raha mivoaka ny renivohitra dia efa misy zavatra tsy mitovy, saika tsy misy resaka fahazoan-dàlana hanorina izany any, fa izay manan-tany dia manangana, ka mila ezaka ihany koa io.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa