Efa natao, hoy ny vadintany nanazava ny zava-nitranga teny an-toerana, ny fomba rehetra tsy hanalana baraka ny “chambre nationale” na ny tranoben’ny vadintany saingy tonga amin’izao isika. Niala nenina izahay nandritry ny taona 2022, volana martsa isika izao. vadintany ihany tokoa no nalana ary izao no porofo fa tsy manao akamakama na “corporatisme” izahay na dia tsy nisy aza ny fiarovana ny vadintany eto amintsika, hoy hatrany ny fanazavan’ny vadintany nampanatanteraka ny didy. Nisy fotoana tsy nandoavan’ireo olona ireo hofan-trano an-taonany maro mihitsy, hoy ny tompon-trano. Nisy fotoana aza izahay, hoy izy ireo, nandefasan-drizareo taratasy hoe resy tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fampiakarana didy na “cour d’appel”. Nivoaka ny didy ny 2021, naharesy izahay. Isaorana ny vadintany manampy anay ankehitriny tamin’ny fanatanterahana ny didy. Efa niezaka nifampiraharaha izy tamin’io vadintany namany io hoe mba tsy hifanalan-drizareo samy vadintany baraka dia atero ny fanalahidy. Nangataka andro foana moa ilay vadintany hoe misy tsy salama, misy an’izao ary nanao taratasy mihitsy fa tsy hampiakatra ny raharaha intsony fa hanaiky hiala rehefa tapitra ny fe-potoana nefa tsy izay no nataony avy eo. Nasain’ny tribonaly mandoa 100 tapitrisa Ariary hofan-trano moa izy. Mbola tokony hihoatran’izay aza nefa saingy nanomboka teo amin’izay moa no nandehanan’ny ady teny amin’ny tribonaly, hoy hatrany ny tompon-trano.
J. Mirija
Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy
Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA
Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na
Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.