airtel

Actualités

03-juil-2023

Actualités

Vaditany sy mpanao lavanty ao Mahajanga

Sample post image

Nisy nanao hadisoana tao amin’ny PAC sy Bianco»

03-juil-2023

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo vaditany sy mpanao lavanty ao Mahajanga fa mivondrona amin’ireo namany manerana an’i Madagasikara izy ireo satria tena tandindonin-doza ny asan’izy ireo. Mitaky ny fanajana ny lalàna velona eto Madagasikara izahay, hoy izy ireo. Tsy fanajana ny andininy mifehy anay ny fikitihina ny asanay na iza manao izany na Bianco na PAC na iza. Tokony hanaja ny andininy faha 30 anaty lalàna avokoa. Izany hoe manaiky mandefa ny dosieny any amin’ny «chambre» na sampan-draharaha misahana izany aloha izay vao manao ny fanenjehana raha misy ny fanomezana toromarika avy amin’ny «chambre». Betsaka ny lesoka tanatin’ny dingana nataon’ireo mpanenjika na eo amin’ny lafiny endrika io na eo amin’ny lafiny votoaty. Mitaky ny fampiharana ny lalàna amin’ireny olona ireny, noho izany, izahay. Tsy ny PAC rehetra no nanao adisoana saingy nisy nanao izany tao. Toy izany koa ny Bianco. Tsy inona izahay fa mpanatanteraka didy voalazan’ny lalàna ary ny fitsarana no namoaka ilay didy fa tsy izahay mihitsy, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap