airtel

Actualités

17-juil-2023

Actualités

Vaditany sy mpanao lavanty Mitaraina ho in-droa voabarabara

Sample post image

In-droa voabarabara isika, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo vaditany sy mpanao lavanty eto Madagasikara, manoloana ny

17-juil-2023

raharaha maro izay hahatsapan’izy ireo ny tsy fanarahan-dalàna miantraika aminy, indrindra, ny nanjo ny Maitre Kanto Rakotonatoandro, izay vaditany sy mpanao lavanty nitaky solon-tsakafon-jaza na “pension alimentaire” ho ana renim-pianakaviana mitaiza ny zanany tamina raim-pianakaviana iray tao Mahajanga nefa dia ity vaditany ity indray no notakian’ny fitsarana onitra mitentina 3 tapitrisa Ariary, izay aloha amin’ilay raim-pianakaviana ny 2 tapitrisa amin’izany. Etsy ankilan’izay koa ny fampiantonana ny filohan'ny vaditany navoakan'ny fanapahan’ny ministera na “décision ministérielle” nefa dia lalàna na "loi" ny sata na “statut” anay, hoy izy ireo. Voahosihosy na “Bafoué” ny “principe de séparation des pouvoirs” na ny antsoina hoe fisaraham-pahefana satria “exécutif” na fahefana mpanatanteraka no miditra amin’ny fitsipika anatiny sy satanay izay lalàna. Didim-pitsarana indray ity no mampiantona vaditany tsy miasa 2 taona. Fahefam-pitsarana izany no manapa-kevitra eto nefa didim-panjakana na “arrêté ministériel” no manendry ny vaditany na “huissier”. Voabarabara ny “principe de respect de parallélisme des formes” na fampanajana izany eo amin’ny lafiny endrika sy ny fampanajana ny telozoron’i Kelsen na ilay antsoina hoe “principe de respect du pyramide de Kelsen”, hoy hatrany ireo vaditany sy mpanao lavanty naneho ny alahelony.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap