miezaka mamono afo, rehefa mihamafy ny toe-draharaha. Nilaza indray raha nihaona tamin’ny Vondron’ireo mpandraharaha nihaona taminy ny sabotsy teo, fa efa misy hono ny vahaolana fohy ezaka sy lavitr'ezaka napetraka fa nisy fahatarana sy tsy fahombiazana ara-pitantanana izay nanelingelina ny fanatanterahana izany. Notanisaina indray ny tetikasa angovo masoandro (100 MW) miaraka amin’ny batterie 200 MWh, izay nolazaina fa homena orinasa iraisam-pirenena ny fitantanana azy. Tombanana fa hiasa ny 40 MW voalohany ao anatin’ny enim-bolana, ary ny 45 MW manaraka amin’ny volana Febroary. Kendrena ny hanafoanana tanteraka ny délestage ao Antananarivo ao anatin’ny herintaona, araka ny filazan’ingahy Andry Rajoelina. Nilaza hividy haingana ireo vata mpanova herinatra hahazoana 60 MW fanampiny, hanampy amin’ny fanamafisana ny famatsiana herinaratra. Tahaka izany ihany koa ny fampanantenana fananganana toby famokarana rano 50 000 m³ isan’andro, izay lazaina ho vita sy hiasa ao anatin’ny roa taona, mba hanomezana vahaolana maharitra amin’ny olana ara-drano. Ilay efa ao Toamasina hoe 105MW ve izany tsy ho tafakatra aty Antananarivo intsony. Efa im-betsaka no nanaovana serasera momba an’io fa mandrak’ity ny androany tsy hita ihany. Tena nodinihina ve ny momba ity tetikasa ity sa nivarotan'ny olona taolana áry ka milina tsy manjary no tonga, ary efa ho 1taona sy tapany tsy nihetsika ? Tsy vao izao no nampanantena poakaty mikasika ny herinaratra, fa tena efa betsaka izay,… saingy tsy miova ilay fomba fiasa sy serasera ka zary efa hain’ny vahoaka tsianjery.
Toky R
Mbola tsy niasa dia potika, mampiahiahy ny kalitao na teo aza ny rivodoza