airtel

Actualités

05-août-2026

VAKANSY LEHIBE 2026

85 isa isan'andro ireo

Sample post image

taksiborosy miazo an'i Mahajanga

05-août-2026

Mahajanga, Faritra Boeny no fantatra fa toerana voalohany be mpandeha sy mpisafidy indrindra amin'izao fotoam-pialantsasatra lehibe taona 2026 izao. Ho an'ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka manokana dia manodidina ny 82 hatramin'ny 85 isan'andro ireo fiara mivoaka imankany amin'iny lalam-pirenena faha-4 iny. Ankoatra ireo mpifankatia dia tena marobe tokoa ireo fianakaviana sy mpiray fikambanana miaraka. 70 000 Ar ny saran-dalana ho an'ny olona iray ary afaka manao fitarainana izay tratran'ny fanararaotana hoy ny nambaran'ny tompon'andraikitra. Tsiahivina moa fa efa vita hatrany amin'ny 90% ny lalana miazo an'i Mahajanga amin'izao. Ora 10 ka hatramin'ny 13 eo ho eo no lany eny an-dalana noho izany raha tsy mihoatra ny 60 km isan'ora ny fahainganam-pandehan'ny fiara. Mikasika ny tsy fandriam-pahalemana eny an-dalana dia fantatra fa efa manao ny asany ny mpitandro ny filaminana ary misy hatrany caravane hataon'ny taxi-brousse hahafahan'ireto farany mifamonjy raha sendra misy olana. Mbola mandeha hatrany ihany koa ny fanentanana ho fisorohana ,ny valan'aretina mpox indrindra eo amin'ny resaka fahadiovana hoy ny mpitantana ny tobim-piantsonana Andohatapenaka Fidy Ranaivoson.
Pati
Légende : Izy no Fidy Ranaivoson, tompon'andraikitra voalohany etsy amin'ny Gara Maki Andohatapenaka !
 

Dans la même rubrique

06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap