airtel

Actualités

21-févr-2023

Actualités

Vakinankaratra-Itasy-Atsinanana Mitsahatra vonjimaika ny fampianarana

Sample post image

Miato vonjimaika avokoa ny fampianarana any amin’ny DREN Vakinankaratra, Itasy Ary Atsinanana manomboka anio Talata 21 Febroary.

21-févr-2023

Noho ny fidiran’ilay rivo-doza eo anelanelan’ny distrikan’i Vatomandry sy Mahanoro anio alina manomboka amin’ny 09 ora ary hamakivaky ny afovontany ihany koa no anton’izany. Ankoatra izay raha araka ny vaovao azo dia hitsahatra anio atoandro manomboka amin’ny 12 ora daholo ihany koa ireo taxi brousse miazo iny faritra Atsinanana iny. Anisan’izany ny avy ao Toamasina, Mahanoro ary Vatomandry mikasa hiakatra eto an-drenivohitra. Izay tsy lasa anio maraina araka izany dia tsy afaka mandeha intsony hisorohana ny loza mety hitranga. Amin’ny Alatsinainy 27 Febroary moa vao vinavinaina hiverina an-tsekoly avokoa ny mpianatra ao anatin’ireo DREN miisa telo ireo raha miankina amin’ny zava-misy kosa ny fotoana hiverenan’ireo taxi brousse miasa.
Pati
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap