airtel

Actualités

29-déc-2023

Actualités

Vary lo saika hamosaviana ny Gasy Tsy afa-miala ireo manampahefana ao Mahajanga…

Sample post image

Isan’ny vaovao nanamarika ity herinandro ity ny raharaha fahatrarana ny fanivanana sy fanadiovana ireo vary efa

29-déc-2023

simba sy potika nogiazana tao amin’ny Seranantsambon’i Mahajanga efa hatramin’ny taona 2017. Nivoaka ny taratasy fa ireo tompon’andraikitra ara-panjakana nahitana olom-boafidy sy olom-boatendry ao amin’ny Faritra Boeny no nanao taratasy fanekena manaiky hanesorana sy hamoahana ireo vary 50 kaontenera izay efa simba sy tsy azo hohanin’olombelona intsony, ary miteraka fofona maimbo sy ratsy ka mampitaraina ireo manodidina, araka ny voalaza tao anatin’io fanekena io, izay natao ny 25 oktobra 2023 lasa teo. Natao izao taratasy izao mba hampanan-kery amin’izay hilana azy, hoy ny fanamarihana. Nanasonia izany ny Prefen’i Mahajanga, ny depioten’i Soalala sy ny depiot’ni Mahajanga, ny governora, ny PDS na Filohan’ny delegasionina manokana mitantana ny kaominina Mahajanga. Ny herinandro lasa teo no nisy ny fahatrarana ireo vary tao amin’ny toeran’ny ViMa (Vision Madagascar) saingy nolavin'ny MSM (MajungaSaurus Mall), sampana iray amin'ny ViMa ny fiampangana azy mikasika ilay resaka vary simba tao Mahajanga satria mpampanofa trano ny MSM, fa tsy tompon'ireo vary simba koa. Miantoka ny fahatsaran'ny trano fotsiny no andraikitry ny MSM, ary tsy mandray anjara amin'izay anton'asan'ny mpanofa azy, hoy ny fanamarihana. Natao ny 27 desambra 2023 nanomboka tamin’ny 08 Ora ny fampidinana sy fanamarinana ireo vary simba tao anaty fiarabe miisa dimy. Nahitana vary 702 gony ny kamiao voalohany, 711 isa gony tao amin'ny faharoa, vary 461 gony ny fahatelo, 700 gony ny fahaefatra, 412 ny fahadimy. Nogiazana anaty efitrano lehibe iray ireo vary ireo ary nohidiana ka niaraka nanatanteraka izany ny lehiben’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena Mahajanga sy ny Talem-paritry ny varotra eto Boeny ary ireo solontena’ny Ministeran’ny varotra avy any Antananarivo. Nohidiana amin’ny efitrano hafa kosa ireo milina roa nampiasaina tamin’io fanodinana vary io, hoy ny tatitra.
AHIANA NY TSIKOMBAKOMBA AVO LENTA
Tafakatra 7 ny voarohirohy tamin’ity raharaha ity izay nampidirina am-ponja vonjimaika ao Morofoto taoriana ny fanolorana azy ireo teny anivon’ny fampanoavana. Ny Talem-paritry ny Varotra tao Mahajanga nilaza rehefa nipoaka ity afera ity, fa efa nahazoana fanamarinana fa tsy azon’olombelona hohanina intsony ireo vary simba ireo ka tsy natao ho hamidy eny amin'ny tsena mihitsy. Nolazaina fa nanomboka ny alarobia 20 desambra teo ny asa fanodinana ireo vary simba ho lasa zezika, ary tsy nisy ny fanomezan-dalana hivoahan'ireo vary simba ireo ao amin’ny toerana nasiana azy, tsy nisy na kely aza tamin'ireo vary ireo tonga teny an-tsena, hoy ny fanazavana. Nambara fa najanona ihany koa ny fanodinana azy ho lasa zezika. Nahoana no tsy nazava hatrany am-boalohany tamin’ny famoahana azy tao amin’ny seranan-tsambo ny hoe : haodina hatao zezika na sakafom-biby ? Tena ho amin’izany ve ny tanjona tao anatin’ny fanivanana ireo vary sy fanovana ny gony ho vaovao misy soratra hoe : « Vary tsara » ? Ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny varotra milaza fa haodina hatao zezika ka midika zezika ve ny hoe : « Vary Tsara » sa tsy naharaka na mpiray tsikombakomba koa? Inona no andraikitr’ireo olona ambony sy fifandraisany tamin’ireo nanao ny asa fanivanana ireo vary sa vita teo amin’ilay hoe : taratasy fanekena tokoa ? Tena ireo tompon’antoka sy matretreha ve ireo nalefa any am-ponja sa ny irakiraka ? Heverina fa famosaviana ny Malagasy tsotr’izao saingy sarona ka ho vitavita ho azy ve ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap