airtel

Actualités

30-déc-2021

Actualités

Vato tsy ara-dalàna « Quartz » 780 kg sarona teny Carion

Sample post image

30-déc-2021

Ahitam-bokany hatrany ny fisavana ireo fiara mpivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena sahanin’ny zandary avy ao amin’ny vondro-tobim-paritra Imerina Centrale, hoy ny fampitam-baovao omaly. Tamin’ity faramparan’ny volana desambra ity, dia nanao sesilany ireo fahatrarana harena sarobidy na entana tsy misy taratasy ara-dalàna raha ho an’ny teny amin’ny lalampirenena faharoa izay mbola tafiditra ao anatin’ny faritra hiasan’izy ireo manokana. Omaly dia karazana vato sarobidy « quartz blanc » sy « quartz fumé » milanja hatrany amin’ny 780 kilao indray no sarona teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo Carion, ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana. Nafenina tao anaty fiara nitaterana harina fandrehitra sy bidon feno tantely ireto vato ireto. Noho ny fisavana natao hatrany anatiny indrindra anefa, dia sarona ireto vato ireto. Notazonina avy hatrany ilay mpamily ny fiara ary efa karohina ihany koa ireo tompon’ny vato. Nogiazana ireto entana ireto ary efa mandray ny andraikiny ihany koa ireo tomponandraikitra misahana izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap