airtel

Actualités

30-mai-2024

Verezin-jo sy manary zo !

Samy mitsakotsako isika rehetra taorian’ny fifidianana vita omaly e !

Sample post image

Ny tsikaritra omaly aloha ankoatra ireo lalao maloto tamin’ny endriny maro dia ny tsy fahavitrihan’ny mpifidy.

30-mai-2024

Betsaka no mety ho antony ka anisany ny hoe : na efa nisy aza ny famoahana didim-panjakana nandidy fa andro tsy iasana fa andraisan-karama ny omaly dia tsy izay no niseho. Betsaka ireo voatery sy noterena hiasa, ka efa ny takariva vao niezaka namonjy birao fandatsaham-bato ny maro ! Mbola betsaka ihany koa ny tratry ny fandemen-tsaina hoe : na mandeha mifidy na tsia dia efa ry anona ihany ho lany eo ! Indrisy mantsy, mbola mila ezaka be ilay fiantsoana ny maro an’isa ho tonga saina, mbola nofy hatreto izany taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana ankampobeny hahatratra 80-90% izany, mbola lavitry ny kitay fifidianana madio sy milamina ary handraisan’ny rehetra anjara ! Asa rahoviana vao tsy hanaiky verezin-jo sy hanary zo izay vao mainka poizina ho an’ny firenena ? Mila maka lesona foana ary tsy indray mandeha no manta vary dia handevin-tsotrobe, fa mbola be ny ho avy e !
Tia Tanindrazana
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap