airtel

Actualités

22-juin-2023

Actualités

Video miendrika firaisana ara-nofo Nanokatra fanadihadiana ny Oniversite

Sample post image

Niteraka resabe teny anivon’ny tambajotran-tserasera ny fisiana horonan-tsary nahitana vehivavy miboridana toa eo am-panaovana firaisana ara-nofo tao amin’ny FLSH (Faculté des Lettres et Sciences Humaines

22-juin-2023

ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo tolakandron’ny talata 20 jona lasa teo. Efa nisy naka horonan-tsary sy olona maro nahita vao nikoropaka, raha ny fahitana azy. Tsy voafaritra mazava hoe: iza marina ireo? Samy nanana ny heviny ny rehetra teo anatrehan’iny, ka tao no naneho fa manamafy ny fisiana fanararaotana ara-nofo eny amin’ny anjerimanontolo ataon’ny mpampianatra sasany ho tambin’ny fahazoana naoty tsara, araka ny fanadihadiana nataon’ny Firaisamonim-pirenena. Tao no naneho, fa tsy misy hidiran’ny resaka fanararaotana ireny, fa endriky ny “’nty sy ‘nday” ka samy mahazo tombony, izay misy mihitsy ny manamafy fa fahita amin’ny sehatra maro, toy ny toeram-piasana, sampan-draharaha samihafa,… Mety misy tokoa ny toy izany, toy ny hoe: ho tambin’ny tombotsoa arak’asa dia misy ny vehivavy manolotra ny vatany hakan’ny lehibeny fahafinaretana, saingy misy endrika fanararaotana ihany izany. Tao indray no naneho, fa filàna tsy tana tsotr’izao, ka nanaonao foana tany amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Misy indray no mandray ilay tranga ho: zavatra ho niniana natao hoentina mamilivily ny saim-bahoaka any amin’ny zavatra hafa, ka tsy hifantoka amin’ny toe-draharaha samihafa miteraka resabe eto amin’ny firenena. Na inona na inona anefa antony, zava-doza ireny, fametavetana ny hasin’ny toeram-pianarana sy ny fampianarana ambony. Miantso fanadihadiana sy fandraisana fepetra hentitra dia hentitra sy sazy henjana eo anatrehan’iny toe-javatra iny satria tena fanimbazimbana ny fianarana sy ny toeram-pampianarana tanteraka ireny, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray eo anivon’ny FLSH. Efa mandray ny andraikitra tandrify azy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo, ary efa mandeha ny fanadihadiana anatiny hamantarana ilay nanao fihetsika mamoafady, hoy ny seraseran'ny Oniversiten’Antananarivo. Andrasana ny tohiny!

Namoaka fanambarana moa ny “Doyen” mpisolo toerana eo anivon’ny FLSH fa tsy misy voakasik’iny raharaha iny n any mpianatra na ny mpampianatra ao amin’ity Fakioliten’ny teny aman-tsoratra sy ny siantsa maha olona ity. Izany fanambarana izany no natao dia mba tsy hielezan’ny feo diso, hoy io fampitam-baovao io. Olon-kafa ivelan’ny FLSH mihitsy izany no tompon’antoka? Nisy ny vaovao tsy ofisialy nilaza fa mpandraharahan’ny oniversite ireo, ary efa nametra-pialana ny iray. Andrasana anefa ny tena ho tohiny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap